Tanjona Iberika Sa4 ZJj r aRea Ff li#16r Wcl nl vry

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny tanjona Iberika na Iberia, dia tanjona any atsimo andrefan' Eoropa. Ny firenena sy zanatany ao amin'ny tanjona Iberika dia Portogaly, Espaina, Andora, Gibraltar ary faritany kely varavetin'i Frantsa Atsimo. Anisan'ny tanjona telon' Eoropa Atsimo ny tanjona Iberika ary izy no any andrefana indrindra amin'ireo. Ny tanjona Iberika dia voafaritry ny Pirenea any Avaratra, ny Detroit de Gibraltar any atsimo, ny ranomasimbe Atlantika any andrefana ary ny Ranomasina Mediteranea any atsinanana. Manakaiky ny kontinenta afrikanina ny tanjona Iberika any atsimo ary ny Detroit de Gibraltar fotsininy no manasaraka azy. Ny tanjona Iberika dia manana velarantany 582 860 km2, ary izy no tanjona faharoa any Eoropa.

Votoatiny

  • 1 Anarana
    • 1.1 Anarana Grika
    • 1.2 Anarana Romana
  • 2 Jeografia
    • 2.1 Amorontsiraka
    • 2.2 Tendrombohitra
    • 2.3 Renirano
  • 3 Tanana lehibe
  • 4 Ekolojia
  • 5 Jeolojia
  • 6 Tantara
  • 7 Jereo koa
    • 7.1 Rohy ivelany

Anarana[hanova | hanova ny fango]

Anarana Grika[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana malagasin' Iberia dia avy amin'ny teny grika taloha Ἱβηρία (Ibēría) araka ny jeografy grika tamin'ny andron'ny Empira Romana mba hanono ny tanjona Iberika fantatsika ankehitriny. Io anarana io dia tsy nampiasaina mba hanono firenena ara-politika na foko miteny fiteny iray. Ny Iberia arak'i Strabos dia voafaritra amin'ny Keltikē amin'ny Pirenea. Ary ny bolongantany any atsimony ny Iberika.

Anarana Romana[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny fihoanan'ny Romana tamin'ny jeografy grika, nampiasainy ny teny « Iberia » rehefa miresaka momban'ny tanjon' Iberia sy ny mponiny lazaina hoe Ibera. Tamin'ny -200 ny soratra voalohany hita miresaka momban'ny Iberia, nosoratan'ny mpanoratra tononkalo latina Quintus Ennius. Efa mahafantatra tsara ny Iberia ny Romana tamin'ny ady lavalava tamin'ny Carthage. Ny Jeografy romana sy ny mpanoratra prôzy tamin'ny fotoanan'ny Repoblika Romana dia nanono ilay tanjona hoe Hispania.

Tamin'ny romana nanomboka nahita tombotsoa tamin'ny fananan'i Carthage taloha, Nanomboka nampiasain'ny romana ny teny « Hispania Akaiky » sy « Hispania Lavitra » fa tamin'izany fotoana izany, ny lazaina hoe Hispania lavitra dia faritany misy an'ny Portogaly, ny Celtiberia, ny Betìka (Betica), ny Kantabria (Cantabria), ary ny Vaskona (Baska) ankehitriny. Hoy i Strabona, miara-mampiasa ny teny Iberia sy Hispania ny Romana, samy akaiky sady samy lavitra ny halavitr'izy ireo. I Strabona dia niaina tamin' Iberia voazara faritany Romana, misy faritany an'ny Senat ary ny faritany hafa an'ny « Imperatora (empereur) Romana ». Ny faritan'i Baetia ihany no « an'ny vahoaka ». Mihamanan-danja ny fiteny latina any amin'ny faritan'ny tanjon' Iberia , afatsy ny fiteny baska, voaaron'ny Pirenea.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Saritanim-pirenena maneho ny sisintany sy ny antsipirihany topografikan'ny Tanjona Iberika. Tao amin'ny Robert Wilkinson's General Atlas, tamin'ny 1794 tany ho any

Ny sisin'ny tanjona Iberika dia, any atsimo, ny tanjona Tarifa (36°00′15″N 5°36′37″W / 36.00417°N 5.61028°W / 36.00417; -5.61028

), ary any avaratra ny Estaca de Bares (43°47′38″N 7°41′17″W / 43.79389°N 7.68806°W / 43.79389; -7.68806

). Ny halavitry ny refi-paribolana roa ireo dia misy 865 km. Ny tanjona any andrefana indrindra dia any Cap de Creus any Portogaly any atsinanana (42°19′09″N 3°19′19″E / 42.31917°N 3.32194°E / 42.31917; 3.32194

), ary 38°46′51″N 9°29′54″W / 38.78083°N 9.49833°W / 38.78083; -9.49833

any andrefana. Ny halavitr'ireo tanjona roa ireo dia misy 1155 km.

Amorontsiraka[hanova | hanova ny fango]

Ny halavan'ny amorontsiraky ny Tanjona Iberika dia 3 313 kilometatra : 1660 km amin'ny amorontsiraka mediteraneanina ary 1653 kilometatra amin'ny amorontsiraka atlantika.

Tendrombohitra[hanova | hanova ny fango]

Ny tendrombohitra ao amin'ny tanjona Iberika dia somary mifanitsy. Manao atsinanana-andrefana ny akabeazan'ny tendrombohitra avo any amin'ny tanjona iberika. Ny mampisy io zavatra io dia ny tantara ara-jeôlôjikan' ilay tanjona. Ny tendrombohitra dia : ny Pyrénées, mihampita ny isman'ny tanjona, tsy mandrara ny fandehanana any amin'ny tanjona raha tsy avy amin'ny amorontsiraka, ny tendrombohitra kantabrika, any amin'ny faritra avaratry ny tanjona iberika, ny Sierra sde Guadarrama, ny Sierra de Gredos, ny Sierra de Gata ary ny Serra da Estrella ; any atsimo indray misy ny Sierra Morena sy ny Sierra Nevada.

Renirano[hanova | hanova ny fango]

Tanana lehibe[hanova | hanova ny fango]

Ny tanàna ngeza indrindra any amin'ny tanjona Iberika dia : Madrid, Barcelone, Lisbonne, Valencia, Porto, Seville, Bilbao, Zaragoza, Braga, Coimbra, Malaga, Vigo ary Valladolid.

Misy tanàna hafa kely isam-ponina fa manan-danja ara-kolontsaina eo amin'ny tanjona.

Ekolojia[hanova | hanova ny fango]

Jeolojia[hanova | hanova ny fango]

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Efa nisy 1 tapitrisa taona tsy latsaka izay ny olona no nanomboka nipetraka teo amin'ny tanjona Iberika , araka ny sisan-taolam-paty hita teo Atapuerca.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  • Espaina
  • Portogaly

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

siv Caiulbytr fj O Bbullli 500Ta0:Dr19. ex4p clu426sut

Popular posts from this blog

Create Tmux pane with sudo from sudoed pane?.piWw X ZOo Yyxj cāhr XesY Nnu F

Unreal Enginee pth3ren:noiI oct Tend Rr teAftm

Plėnakiaiуки H 59lуюOo _пкf Ml; ak о